Lahatra (Imbitika Rambala)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAHATRA Dia indreo ny jiolahy
Sahy tena sahy
Mandroba mangazay
Teo akaikinay
Fa ilay mpivaro-boanjo
Malotoloto akanjo
Voatifitr'ireo jiolahy
Voatifitra tsy nahy
Dia iny ilay zokiny
Tsy mahita ny horangotiny
Niampofo ilay zandriny
Voa tamin'ny handriny
Ireo jiolahy moa nitsoaka
Nihanahana ireo vahoaka
Ilay zokiny amin'izany
Niantso mafy nanontany :
"Sao mba mianatra ny lanitra
Tena izao vé no lahatra"
???????? ??????? - ??/??/??
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
