MANINA E, (Imbitika Rambala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manina e,

Erikeri-dririnina an-keniheny
Singana re tsy afa-mankeny
Dia rivotra misioka no re mba misento
Mangina, mangina e ity izaho eto

Dia masoandro toa malaindaina
Savolaina kanefa tsy te hitaraina
Dia gina irery tsy mahaloa-peo
Rahoviana no hiverina indray ianareo

Vavahadiko ity efa mikatona
Rahoviana indray vao hisy hanatona
Efitrano koa ity toa babangoana
Rahoviana indray e no ho tafahaona

Ny alina mangina sy ny diavolana
Ny alokareo e no mitsolantsolana
Ny torimaso avy ity mikomy tanteraka
Manina re mba tongava hiresaka

Imbitika Rambala - 10/06/19
--------
Rohy:
Sokajy : embona
324 1
Mpakafy: imbitika
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Imbitika Rambala
Nampiditra : imbitika
Daty : 21/11/2022 13:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158