Mbola tiako hiverenana (Imbitika Rambala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA TIAKO HIVERENANA

Mbola tiako hiverenana Ilay tranonay fahiny
Ilay tokonana fanitsako fony mbola tsy nikapa
Ilay efitra tsotsotra mba fandraisanay vahiny
Ilay farafaranay roalahy nisangina tamin'ny daka

Mbola tiako hiverenana Ilay tokotanikelinay
Naha bemarenina ahy nantsoina hirahina
Ireo anjara raharaha tsy tontosa indraindray
Nihantana tamin-joky nandefitra tsy nahiny

Mbola tiako hiverenana Ilay vavaka hariva
Namohazana ahy izaho efa natory
Kinanjo takoritsika indray tsy nety vita
Rehefa tany am-pandriana ka bedy vao natory

Mbola tiako hiverenana ireo ditraditra kely
Mbola tiako hiverenana ireny rehetra ireny
Mbola tiako hiverenana ianao ry fahiny
Fa rakitra tsy foiko mamy loatra ankehitriny

Imbitika Rambala - 14/06/19
--------
Lien:
Catégorie : Eritreritra mandalo - Fiainana
41 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118