Ny lalana mankany (Imbitika Rambala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY LALANA MANKANY

Ny lalana mankany misampantsapana ihany
Tao ny nosafidiko - tao anefa ny an-tery
Efa lavitra no vita - Mbola tsy hay ny hiafarany
Sarotsarotra ihany ka matetika aho no very

Ny lalana mankany nisy ankamarinana
Dia nisonanika aho rehefa sendra ny fidinana
Nefa tao ny fiakarana nideza nanahirana
Dia tao koa ny hantsana efa tena nivarinana

Ny lalana mankany no nitaiza sy nanefy
Nahitako ny olombanona- niatrehako ny fetsy
Nitrifanako ihany koa tamin'ny ditra tsy nifefy
Ka nahaizako nivavaka nony injay aho ka resy

Ny lalana mankany - lahatra io sa vintana
Efa tao ny ratram-po nila tsy ho sitrana
Saingy soa fa mba nisy Tanana namihina
Nitari-dalana ahy tsy namela ahy hiridana

Imbitika Rambala - 07/05/ 18
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
44 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119