O RY KALARAHA IROY (Imbitika Rambala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
O RY KALARAHA IROY

Bitsika voadian'ny mpantsaka ro iaho
Koa hijekijeky leky tsa malaky
Hamindra leky maharary
Tsa kinian-tena e izao
Fa mafy ny natao'Nagnahary
Aleo tokoa firain'ny mesa
Toa izay firain'ny fitea
Eko ny tarogna tsa diso
Leha tsa alefo
Koa asakasa-droky ny amin'ahy

Sy agnao teha nitarogna
Dia fantatso fa hivatagna aminahy
Koa izao tarognao izao
Tsa atao kitaotaogna
Fa apitraho amin'ny tokony hisy azy
Leha hilaza raha
Ko ny any an-dragno ro ilazao soasoa
Fa raha be e ny gegy
Fa vitsy ro manary lamba
Sao tsa mba lahatsa izao
Fa fanimbana sain'olo

Ny giranadrelina ro managnika
Ny hazo tsa fantatsa
Feny aho dia matoky
Fa agnao ro lahatsa
Ny trano vita meka ro mitete
Ko aho mitarogna amin-droky
Tsa mineanea
Soa ny akanga feny ny akoho
Ro fanao an-joro
Na eo i Maitsokele
Na eo koa i Kalamanga
Androky e ro efa ato am-poko
Aho mahalala ny masaka
Ko tsa hamadibadika ny lozitsa
Koa ilazao i baba ilazao i neny
Fa ho ahy any aminareo aho sy loaka andro

Imbitika Rambala - 27/02/19 (119)
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
14 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138