Teto, eto (Imbitika Rambala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
???? ... ???Teto ianao r'Ikaky teto no lany mondron'aina
Notinery noporetina nambakaina hiasa maina
Zary vokoka godroina niketron-tava mahonena
Hany sisa ankehitriny herinao manantena
Teto ianao ry neny no nidradra nitomany
Nanopy maso an'i Solo ho am'izany Andafy izany
Ininao moa ireny no ny zanakao nasorona
Nefa isika indray no nanjary nofatorana
Teto ianao ry zoky no nihifikifi-doha
Tsy nanaiky velively odin-kevitra tsy toha
Teto no niantomboka ny tolona toa resy
Teto lahy ianareo no lavo - maritiora tsy ho lefy
Eto anie ry zandry no kianja fitolomana
Efa ringitra ahi-maitso vonton-dra nilomana
Misikina ary 'ndeha mbola lavitra ny antsasany
Ka hatosika izy ireny ary holavina ny asany
Eto isika no hihiaka fa tsy rariny ny vitany
Eto isika no hivonkina ka hamaly izay tsipany
Eto isika no hitolona na inona hambarany
Eto isika no hiady na inona no ho farany
Imbitika RAMBALA - 12/10/74
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
