Tsodrano (Imbitika Rambala)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotra ireo zanaka zafikely niatrika, miatrika ary hiatrika fanadiananaTSO-DRANO
Hiatrika ady ialahy
Koa mivonôna am-pitoniana
Ny herintsaina aza ariana
Amin'ny tebiteby sy ny tahotra
Fandresena atao an-tsaina
Fa ny tso-drano no ampombaina
Hiatrika ady ialahy
Aza asiana tebiteby
Na inona na inona tsy nety
Dia foano ireny ankehitriny
Tsy misy fondro tsy misy tsiny
Ataovy an-tsaina ireo ezaka
Sy fihafiana efa betsaka
Ho tonga mamy ange ireny
Ireo i dada sy i neny
Tsy mitsahatra mivavaka
Koa mitokia tena anaka
Ary mandehana amin'izay
Fa mitsodrano izahay
Aza be ahiahy
Fa tianay foana ialahy
Imbitika Rambala - 15/09/18
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
