Tsy ianao (Imbitika Rambala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY IANAO,

Tsy ianao velively
Ilay fitiavana
Fa ilay sary nieriery
Izay nanavaka
Anao tamin'ny hafa
Dia ny eritro nirafarafa
No tonga dia niantoraka
Ka namboraka
Fitiavana

Dia sarisary nifandraika
Tamin'ny endrikao raitra
Izay sary norafetin'
Ny saina tsy nitony
Sy nofinofy nentin'
Ny filàna ka dia nitory
Fitiavana

Tsy ianao velively
Ilay fitiavana
Ny nofo efa malemy
No nanaraka
Ny fo nitsiriritra
Ka tsy fahendrena re fa ditra
Toa hangidy tsy ho mamy
Koa aoka kely aloha ihany

Izaho no namboly ilay fitia
Ka aleo hisaina aho satria
Sao fitia rambaramba
Hampisaringo-boro-damba

Imbitika Rambala - 21/12/18
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
10 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0122