Mafy tena mafy (ItokianaGasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mafy tena mafy
Izany te ho tafita
Ka dia tsy maintsy miafy
Raha tsy izany tsy hahavita!

Mafy tena mafy
Ny mitady ilay maraina
Mahatoro izato saina
Mahavelona taraina!

Mafy tena mafy
Ny mitady fahombiazana
Eny mbola tena mazana
Ny hitady izay tsy tazana!

Mafy tena mafy
Ny miezaka tsy ho lavo
Fa mikatsaka eny foana
Izay tiana mba ho azo!

Mafy tena mafy
Fa tsy asiana hakivina
Fa na eny tena mafy
Dia tratraro izay irina!

Daty : 30 Jolay 2019
--------
Lien:
Catégorie : Fananarana
77 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ItokianaGasy
Inséré par : ItokianaGasy
Date : 02/03/2024 14:51
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147