Antsakabary (Jayah Razafi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Antsakabary

miseho an-karihary
tao antsakabary
fa tokoa nisy adala
nandoro ny tanana

enjana nedala ah!!!

adala manam-basy
adala manan-tsandry
ka tsy niafiafy
sy tsy niandriandry
nanapatra ny tanjaka
namono
nampihanjaka
ny osa sy malemy
tsy mba manan-kery
ho entina manohitra

dia faly nampijaly
faly nampahory
nataony toa soavaly
tsy nosaininy akory
fa gasy toa azy
ra itovizana,
tany iraisana
fa nampahitany faisana

alika nedala kah!!
naharava tanana

jayah razafi 15/03/17 21:26
--------
Rohy:
919 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111