Takariva (JNB)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto amoron'ity farihy
Eto no hanembonako anao
Tonga ny hariva
Dia injao ato an-tsaiko indray ianao
Takariva toy izao
Lasa takarivam-pahatsiarovako anao
Lasa takarivan-tsento
Indrisy mantsy ianao tsy eto
Hariva indray mantsy izao
Dia any izao ianao!
Mety misaina ahy koa ngamba?!
Nefa ny saiko no adala!
Adala satria manina anao tsy mahatsiaro akory
Ianao mantsy any misaina izay olona izay
Nefa hipetraka adala aho fa tia
Dia mbola izay indray no ataoko amin'ity takariva ity!
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1257 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : JNB
Inséré par : james01
Date : 16/10/2017 16:16
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145