TSY TANKATRO (JNB)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY TANKATRO...

Tsy tankatry ny saiko hatramin'izao,
tsy tankatry ny saiko ny famonjena vitanao
nefa tsy noho izany ny mahatonga ny fanompoko anao mangatsiaka,
tsy aiko Tompo o! tsy aiko foana ny mitahiry ilay fitia tsy mety ritra,
tsapako anefa fa rehefa lavitra anao
dia...
tena tsy mety izay atao,
mandamoaka ny zavatra rehetra,
dia lasa mankalao ahy izao fiainana izao,
dia te hitady fiainam-baovao!
dia izany foana mpamonjy o!izany foana rehefa tsy eo ianao,
nefa mbola ataoko foana,mbola ataoko ihany ny manalavitra anao!...

JNB
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
934 1
Fans: james01
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : JNB
Inséré par : james01
Date : 19/09/2017 05:43
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152