ITY FIAINAKO (joharyfenosoa)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry fiainako mahantra, voahilika ombieny,
Tsy mba natao ho hajaina fa voasoratra ho roraina,
Ny mangidy izay sotroiko dia mila tsy ho teliko,
Fa miafy isan'andro aho mba hanakonako ny feriko.

Ry fiainako mahantra dia mirenireny foana,
Tsy mba misy mampitraka, ny fiainako hatreto dia misaona.
Ny hany faraheriko sy fitiavako ny Raiko,
Dia hajanoko ny alaheloko, ka ny tsara no holalaiko,

Hitraka aho aloha ka handinika ny amiko
Hanarenako ny teo aloha ary hijereko koa ny hoaviko.
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
256 1
Fans: francillon
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : joharyfenosoa
Inséré par : joharyfenosoa
Date : 08/12/2025 16:25
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0143