Any mantsy ilay malalako (julien rakotonirina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any mantsy ilay malalako
Dia ilay tokana anjarako
Tsy hita maso fa lavitra ny ankaniny
Tsaroako avokoa ireo teny maminy

Rovina vao mba hiona
Nefa indrisy ry fotona
Fa ianao no sakana ny olondro
Tsy ifankahita ka maparary fo

Ny miandry ihiany no azo atao
Na mafy aza ny embona ka tsy ho zaka
Nefa tsarovy fa tiko enao
Ninoninona loza miantra

Miandry anao fona ny foko
Tsindriko mafy mba tsy hitoloko
Fa ianao no efa anjarako eto atany
Ka ho tiaviko hatrany hatrany
--------
Lien:
Catégorie : embona
2366 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0111