IANAO (Lova miar'shu)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hafa ianao raha vao hitako,andrianiko ary sitrako,
reo toetra na fihetsika.
manambara fa dia mendrika!
Ny maso maotina fijery,
nahasarika ahy hiteny,
fa hafa ianao no mamiko,
tena soa sady haniko!
Hafa ka hitokisako,
ekeko f'efa tiako,
hafa nefa miavaka,
iriko mba ho ravaka!
Hafa noho ny hafa ianao,
ka manantena aho ho anao,
hamafisiko sesilany,
hafa ianao raha eto an-tany.
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana