NY MARINA (Lova miar'shu)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola mety hiseho,
ka hanjaka re ny marina.
Hahafahan'ny olona maneho,
ny tiany sainy ho takarina.
Mbola hitondra hazavana,
hampitsiky zany androny.
Manome ilay hafanana,
mampibaliaka ny masoandrony.
Mbola hipoitra tsikelikely,
handrakotra ny tany.
Tsy ho lefy velively,
ilay marina androany.
Mbola handresy izay ratsy,
hanafoana ny herisetra.
Hanohitra ny herintsandry,
ary koa ireo amboletra.
Mbola hanenika ny tontolo,
na dia saro-tadiavina,
ka na ovaina na ho asolo,
dia tokana ihany :ny marina.
Mbola ho tonga ny fotoana,
hilazana ny marina rehetra.
Hampiteny ireo moana,
voafefy,tamin'ny andro voafetra.
Ka ny marina dia marina,
fa ny ratsy tsy ho tafarina.
--------
Lien:
1594 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Lova miar'shu
Inséré par : lova miar'shu
Date : 12/05/2016 10:11
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163