DIARY NOKAJIANA (Mahalia❤✨)

Lu par ikalamako
Lu par hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIARY NOKAJIANA

Soratra hafakely somary mandrimandry
no sasiny nialoha ilay pejy fanombohana
Teny maromaro natambatra no sady
mirakitra tantara sy karazam-boambolana

Nanaraka azy teo ny anarantsika roa
voatemi-tsary FO niloko mavokely
Ny misintsika rehetra dia saika avokoa
voaventy tao daholo tsy nisy iray 'zay niery
(...)
Ity Diary ity no boky firaketana ny misiterintsika
izay tsy(mi)sy mpahalala hafa tsy isika roa irery ihany
Fifandimbiasan'ny afobe,ny lanitra sy paradisa
dia ilay fiainantsika roa,temerin-tsedra nefa mamy

Ka NOKAJIAKO fatratra mba hitahiry ny rehetra
indrindra izay KANTO teny an-dalam-pamafazana
Mba hiaro ny hasambarana kobonina poeta
sy ho loharanon'aina hampiboika ny FITIAVANA


Mahalia❤✨
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
397 2
Fans: hery - Djess
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Mahalia❤✨
Inséré par : Djess
Date : 21/09/2023 23:28
Lectures
Lu par ikalamako
Lu par hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143