(ANATY FONONTENY) (Mahalia❤✨)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(ANATY FONONTENY)

Napetrako eto fotsiny
Mba ho "tsiaro" any aoriana
Fa..
Na tsy izaho aza no tompony
Sy koa tsy ho olon-tiany

Dia mba nandray anjara fototra
Tanatin'ilay diariny iny
Mba niezaka nanototra
Ireo bangan'ny fanihiny

Mba nanolo-tanana azy
Tanatin'ny ady mafy
Nijoro tsy mba satry
Na dia sasatry ny niafy

Mantsu tiako mba ho tsapany
Ny fitia miredareda mirehitra ato anaty(ko)
Eny e...na aza aho tsy ho anjarany
Mba efa niombom-po tanaty "AINGA TSY MATY"

Mahalia❤✨
20221108-2020
--------
Lien:
147 2
Fans: Nikalo - Djess
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143