TSIAMBARATELO KANTO (Mahalia❤✨)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIAMBARATELO KANTO

Tsy ny ranomainty intsony no andokoako ny antsika,
Fa ny ran'ny fanekena mikoriana anatiko ao!!!
Ny fitepon'ito foko no hanamafy izay voadika
F'izao tononkira izao dia natokako ho anao.

Ka tsy ilaina tranomboky sy taratasy aman-diary,
Fa ny fofon'aina monja dia efa ampy hamelomaso!
Ireo fahatsiarova maro sy ireo antontan-tsary...
Tsy ho levon'ny fotoana, tsy ho ravan'ny ankaso.
(...)
Ny anarantsika indray no nataoko tsangambato!
Hitahiry ny tantara sy ny afom-pitiavana.
Hanome aina sy hiaro 'lay tsiambaratelo kanto,
Tsy ho difotry ny vovoka raha tojo faratazana.

✍️ Mahalia ❤️✨
18022026
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
43 1
Fans: Djess
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0171