VEHIVAVY(MODELY) (Mahalia❤✨)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VEHIVAVY (MODELY)

Vehivavy indry
Ravaky ny tokatrano
Tsy toy ireo mpimamo
Na toy ireo fotsy varavarana
Mpandositra an-daharana
F'andry iankinan'ny akohonana
Sy ihany koa vahaolana
RAha misy disadisa...
Fanalahidy an-tapitrisa
No hiambozon-dry any
Indry 'lay natao tsy hitomany
Na misy alahelo na misy fahoriana
Na anaty ady mafy temerim-pihafiana
(dia indry mahay mitsiky)
Ka na ratra toy ny ahoana
Na fery firy sosona
no entina mandavo ny faladihan-dry
Dia indry mijoro foana
Na maloto sy efa mihosona
Tsy mitaraina sanatria
fa vehivavy be fitia

Mahalia❤✨
--------
Lien:
Catégorie : Fananarana - Fiainana - Fitiavana
181 1
Fans: Djess
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014