Namako (mahorani)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMAKO

Raha tsaroako fa nandao
Ilay masoandrom-piainako;
Ary izao tontolo izao,
Toa tsy nahita ny tarainako!
Raha tsaroako aho fa very;
Kivy, ketraka, nanahy:
Nahatsiaro tena ho irery,
Fa ny rehetra nadao ahy!
Tamin'izay no teo ianao,
Nampifaly ahy hatrany:
Eny isan'andro izao:
Nampody hira ny tomany!
Ianao tsy sasatry ny niezaka
Hampisori-tsiky indray,
Tamin'ny endriko efa reraka,
Sy niha-osa hatrizay!
Ianao tsy vizana nikaroka:
Izay hampisokatra ny tanako
Hanova ny androko efa matroka:
Isaorako ianao.....RY NAMAKO !
--------
Lien:
Catégorie : Namana
4610 0
Commentaires
Iantso ( 31/03/2004 18:48)
Raha ny hevitro Manokana aloha dia samy misy Karazany avokoa ny olona rehetra eto an-tany: na ny lehib na ny kely , na ny toetra na ny endrik. Fa ny Hikambanan' izao tontolo izao dia ny hoe "Tsisy ratsy fara-tampony ary tsisy olona tonga lafatra
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143