ALINA IRAY (Mampikanto)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALINA IRAY

Ny tara-bolantsinana nandoaky ny alina
No namoaka ny tsiaroko ho any aminao,
Ilay hazavana hafakely sady sina,
No amborahako ny foko te-hitafa raha toa ka sitrakao

Ry voaly maintin’ny alina, tsy ahitako mangirana
Nahoana loatra no dia koboninao ny fony!
Izaho aty mijaly, manirery ato anaty fahanginana
Izy any zay, mandry tsy mahatsiaro ahy akory

O! zany foko! Te hiangavy anao ry kintana iray
Mba tsidiho zany fony … nefa aoka ihany lahy!
Toa te-hividy, te-hanakalo, te-hamboly fitia mivaivay
Nefa matahotra aho, … soa fa eritreritra ny ahy

Ny fikasako tao anaty, no indrisy tsy tontosa
Ny fibosesiky ny teny mamy tiako ambara aminao nefa,
O!indrisy ry fitiavako kanosa, nefa miavosa
Zary tsy misy dikany taminao, … ka tsy tana fa nilefa


Mampikanto 26/12/03 17h51
--------
Lien:
2051 0
Commentaires
andriary ( 30/12/2003 15:48)
Mandalo maimaika dia nahita ity .Ny lohateniny dia ampy manambara fa ianao mampikanto no mpanoratra.
mambabo fo
anoraty tonokalo aho.....
mampikanto ( 31/12/2003 07:10)
Miarahaba anao!
Andry a! tsy nety nivoaka anie ilay aingam-panahiko e! miezaka aho fa tsy mety tafavoaka, mampalahelo ô!

Kanto
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Mampikanto
Inséré par : mampikanto
Date : 29/12/2003 12:50
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144