Ataoko ahoana? (manjatiana)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ataoko ahoana ny fanadino?Tantara mamy sy mahafinaritra,
Amin'ny ora mahasarotra.
Ataoko ahoana ny fanadino?
Sary kanto sy sariaka,
Ao anaty rà mandrika.
Ataoko ahoana ny fanadino?
Zazavavy meva sady tsotra,
Tany ambanivohitra.
Ataoko ahoana hoy ianao?
Sa modina tsy re ny feon'ny fahatsiarovana?
Dia modina tsy tadidy koa ny lalana nandalovana?
Sarotr'izany
--------
Lien: