Andrana (masoandrokely vao namiratra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
iny tovovavy iny, maha-saropiaro ahy
nefa koa toa halako
nosimbainy ty fonao
toa tsy nananany antra
nefa toa izy iny ihany
no tsy afaka ao an-dohanao

raha mba fantatrao mantsy ny ao anatiko ao
dia fitiavana mitovy ami'zany anananao
'lay tady mamatotra anao aminy
ny ahy koa 'nefa mamatotra ahy aminao

manan'endrika tokoa izy, sady manana feo
'zay fantatro indrisy fa tsy misy aty amiko
ny hany mba ananako dia 'lay fo kely tia anao
'nefa tsy haiko, ampy ve zay ampifaliana anao?

ao anaiko ao toa marary
nefa ikipiko hatrany
fantatro ianao, namako ianao
ka tsy sahiko ny amborak'izany aminao

...
--------
Lien:
685 1
Fans: Arimalala
Commentaires
bichette ( 01/03/2005 17:07)
Pipiso a ! mahereza.
pipiso ( 01/03/2005 21:41)
fiainana mandalo, tsy mendrika tomany, mitsiky, mitraka, tohizo hatrany ny dia
raha ny olana tsy lany...
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : masoandrokely vao namiratra
Inséré par : pipiso
Date : 01/03/2005 14:59
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147