Ö RY VOLANA Ö ? (MAZ RAMANA)

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"...Ö ry volana ô, fa taiza hoaho ianao
...tamin'izaho irery teto ambaravarankely,
Tamin'ny orana nikija, indray harivariva izay?..."

Tany antsefatsefaky ny rahona nisoko aho
...dia natopatopan'ny rivotra nifofo
Nalahelo anao ny foko, fa norohizany aho dia izay!

Niandrandra ianao : sakaiza, namana hanafy lamba,
...tamin'ilay nanganohano, irery...teny amoron-drano
...tao an'elakela-bato maizina sy nangatsiaka!?

Teo anilanao aho, fa tsy tsikaritrao angamba...
...satria niara takon'ny sompatra nandalo...
Ny kely hany anjara...tara-masoandrontsika!

Mantsy, tsapako tokoa ny herin'ny horakora-po
Tam'ilay namoifo nilaozan-tiana ny tsimbotry!
Nohontronin'ny tapa-dabozia nitsilopy!

Fa tsy mahazo miangatra aho!...eny na honena...
...tsy maintsy nanazava ny lalan'ny kamboty
...teny anelakela-trano fiheren'ny ondry botry!

Sy namonjy zazavavy teo ampamonoan-tena,
...tany amorondranomasin-tsy hita fara ny eny ampita!
Voatery nampandefitra ny tafatafantsika.



Anjaramalala RAMANAMANJATO
06/05/2021 // 16H49 HM
--------
Lien:
760 1
Fans: MAZ RAMANA
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : MAZ RAMANA
Inséré par : MAZ RAMANA
Date : 08/05/2021 05:57
Lectures
Lu par
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0184