ANY HO ANY (MAZ RAMANA)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ho any...Any izay i Malala
Mikalo ny olon-tiany
Efa...nilaozana an-tery!
Manina ahy izy izay
Manembona mangina,
Mitomany samirery!
Misaona fahoriana
...tsy misy mpampahery
Mitsetra fifaliana
...nefa tokana sy very!
Any izay i malala...
Mamakivaky onja
hatopatopan-drivotra
Mandoro, mahamay.
Fa mba tàzany ary ve?
Ny haavon'inty fonja
Voahodidin'afo
...mamatopatotra ahy?
Fendrofendro, eny, sisa
no mba namana akaiky
Ny anjara fifaliana
very teny antsasa-dàlana
Adàlam-pitia hono
...mantsy izy sy i malalany!
Nataony tsy ho mafy,
...angaha ny làlana hiakarany?
Any ho any...
20/07/2022
12h37
--------
Lien:
Catégorie :
Malalaka - Hanina - Fitiavana - Fisarahana - Fiononana - fiainana - Fampaherezana - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - embona