HELOHY (MAZ RAMANA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HELOHY

Heveriko ho mahitsy
Izay rehetra nataoko
Dia maso miandranandrana,
Sy fo mirehareha, izay jiron'ny fanahy!

Fahoriana foana koa
no hitarainan'ireo molotro
Mitsoaka aho, mihazakazaka
Manitsy hati-lavaka...mibaby trosan-drà!

Taranaka mihevitra
ny tenako ho madio aho!
Tsy mankato ny reniko,
Hesoiko koa ny raiko! Izay no rariny ato ampoko!

Avo loatra tamiko
ny tena fahendrena!
Sy ireo zana-goaika
Nitsaingoka ny masoko, nialoha ny FAHALAVOAKO!

Ahoana no fifehy
lelan'antsy voaramena?
Rehefa minia mamaly
nefa tsy nihaino akory? : Fahatezera-mahamay!

Dia nandositra ny tongotro
Na tsy nenjehina aza
Avy tafintohina
dia avy eo niantso tody, nihady fasana handray!

Hizotra aho ka handroso
sa hihemotra Jehovah o?
Mba diniho re 'ty foko
feno ratra ka hovao, f'efa trotraka mamoy!

Tanàna voagorobaka
Tsy misy manda intsony
Miandrandra fandanjana
tsy mandainga avy aminao. Tsarao ka helohy!


Anjaramalala RAMANAMANJATO
28/03/2022
22H13 HM
--------
Rohy:
462 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 02/04/2022 09:10
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098