R A O Z Y (Miarina RF)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
R A O Z Y

Izy no raozy
Dorehitra mena
Manana paozy
Mateza jerena

Ny angotin'ny raviny
Manome hery
Tsy misy an-tery
Ny voany sy voniny
Halofan'ny tahony
Haingon'ny tonony ,
No hany solon'
Ny vava sy molony
Te haneho fitiavana
Aminao izay mitazana !

Ny faka ao ambany
Rakofan'ny tany
Izay sisa tsy tazana
No solom-bazana
Mpitsakotsako
Ny tsiro sy tsatson'
Ny fiainany sisa
Tsy hay tanisaina !

Ny hakanton'ny felany
Solon'ny elany
Mora malazo ,
Toa anao ihany
Mba mijalijaly raha sendran'ny tazo !

Ny hirifirim-panala
Sy ilay hafanana
Mpanintsana ravina
Tsy afaka hialan'
Ny zotra diaviny
No hany angatahiny
Tondraka rano
Aminao izay mpandalo !

Miarina RF
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
83 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Miarina RF
Inséré par : Miarina97
Date : 24/03/2024 08:03
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014