IANAO (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao tokoa mantsy ry lala
ilay efa tiako zay tsisy nahalala
fa nokoboniko ho ahy samirery
notahiriziko tsara tsy ho very

Ianao tokoa mantsy lay nambabo ahy
fa tsy sahy niteny aho atsizay
fa nataotra ny mety ho avalinao
ka miasa saina lava izao

Ianao tokoa mantsy lay tena tiako
ka niaretako sy niafiako
ka androany na ho tsiky na tomany
dia ambarako anao ihany

sao mantsy tratra aoriana
ka hitondra halahelo sy fahoriana
fa ny any lazaiko dia izao
efa ela aho no tianao

ka raha lalana iraisana re ry lala
dia mba raiso ny tanako aza misalasala
fa miankina aminao ny ahy ny ho avy
ka sanatria raha ho tapitra eto sahady
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy - Fitiavana
1343 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : scour
Daty : 16/04/2018 11:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198