NIFARANA (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa nitsahatra nitepo, ilay fo mbola tia,
resy an’ady novesara-tsento, ka nifarana ny dia.
Onaonan-dranomaso, tontolom-pisentoana
izay fifaliana tsy mba azo, fa lasa foana ny fotoana.

Ilay olona mba notiavina, nokasaina ho malala
tsy niteny fa nangina, tsy mba nety nahalala.
Tsisy topi-maso kely akory, ho an’ity izay nijaly,
fa fitiavana oriory, no mba setrin’izy faly.

Fa ny andro izay nisandratra, nantenaina hitondra tsiky
ka hampisy olo-tsambatra, no indro nampiviky,
eritreritra nanantena, fa ity andro vaovao,
angamba mba ho an’ny tena sy ilay fitia anaty ao.

Fa nihilana ihany ny andro, noresen’izany alina,
tsy nalatsaka nahandro, ilay fitia zary fanina.
Ilay nantenaina tsy azo, ny fitia rakotr’ aizina.
Ilay nitsiry indro fa nalazo, tsy nisy intsony izay vina.

...fa nitsahatra nitepo, ity fo izay nitahiry
ka ho entiny tsy ho eto, ilay fitia tsy hananam-piry
tsy ho hatolony intsony, na fitia nampitomany
fa hilevina ao am-pony, nenti-nody ambany tany.
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
2024 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 24/02/2012 14:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147