FITIA EFA MATY (Nandriana)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa naleviko any ambanin’ny tanyIlay fitiavanao nakarary,nampitomany
Niniako nototorana,nofenoiko vonikazo
Vonikazo, tsy ho ela koa dia halazo
Ny fahatsiarovana rehetra nodorako avokoa
May tao koa ilay fitiavanao,mora miova fo
Niniako nodorana, nototofako kitay
Ka lavenona no setrin’ny vita hatrizay
Tsy misy fisaonana raha ny androko sisa
Ny fitia maty nilevina, tsy hasiako fitserana
Ka tsy hamadika intsony aho na hitanisa
Fa ny lasa tsy haveriko,tsy avelako hiserana
--------
Lien:
Catégorie :
Fisarahana