nofiko (Nandriana)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao mikipy ny masoko dia ianao no tazakoIanao,ianao no tonga nofiko ho malalako
Ny endrikao no misalovana,mitamberina ao an-tsaiko
Rehefa injay fafako dia mila hiongotra ny aiko
Fa ianao ilay minia maka toerana an-tsokosoko
Ianao,ianao no tsy foiko,tsy mba hosoloiko
Miantsoantso ,mirediredy anao ny ao anatiko ao
Nefa mikombona ny molotro rehefa tojo anao
O! ry embona sy hanina
Nahoana aho no majoy olo-tsy manina
Fa nahoana kosa lahy
Izaho no rendrika aminy,voafatotra tsy nahy
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana