Nofinofy (Nasolo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny nofinofy sisa no entiko miampita
Hiotr io vohitra io fa tsy hita izay atao
Ny nofinofy sisa no fanefitra hany hita
Hanasitrana ny foko, marary noho ianao

Ny nofinofy sisa no hany mampitony
Ny onjan’ny fiia, mahery toa tsy ho tanty
Ny nofinofy sisa no hanondraka hampamony
Ilay fitiavana ato am-poko hiarina tsy ho faty

Ny nofinofy sisa no hany mba mampionona
Rehefa manirery aho ka mahatsiaro anao
Ny nofinofy sisa no arindra sy foronina
Ho sary tena izy ahitako ny endrikao
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1283 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Nasolo
Inséré par : emmy
Date : 13/08/2007 09:27
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137