ANTANANARIVO (Nofenoina Natiora Nitsimoka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTANANARIVO ?️?

?Nakipiko ny masoko ry Iarivo renivohitra...
Rehefa avy nanopy anao indray mibango
Ny fandrosoana tsy hoe ratsy
Saingy,
intsony tsy hita taratra ny rafi-trano gasy

?Ny lokon-drano miandrona
Mamofona sy manambara loto
Ampian'ny fako miavosa sy mitsitokotoko

?Ny rivotra mitsoka aza toa mangidy fara
Noho 'reo trano avo mifanety
Sy fitohanan'ny fiara
Ihany koa manano-sarotra
Mampifanitsa-kitro ny mpiantsena s'y mpivarotra

?...Dia nahiratro indray
Nanopy maso ny Alina
Kanto erÿ ravahan'izato jiro maro
Mampirongatra ireo embona sy anina
ny natioran'ny gasy 'zay efa nafangaro.

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA
01 JONA 2024
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
16 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118