HAFATRO SAHADY (Nofenoina Natiora Nitsimoka)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
❤️HAFATRO SAHADY??Horaketiko hatrany 'reo aingan'ny fanahiko
Na soratra io na teny
Fa rehefa izaho tsy ho anisan'ny velona intsony
Dia manan-danja ireny
?Ka izay voarakitro,
Anaty horonam-peo na boky na diary
Dia tiako sady satriko
Ny hisian'ny ainga natokana hoa anao
Ka mba jerijereo ihany
?Rehefa ianao mamaky na koa mihaino izany
Dia hisy sento ho tongatonga ho azy
Ka fantaro avy hatrany
Fa io no anjaranao,tam'lay hafatro sahady
?Hanjombona am'zay ny taratasy sy ny peniko
Fa intsony tsisy fantatro
Ary hipoitra ireo tsiambaratelon'ainga 'zay afeniko
Anaty tahirin'ankamantra
♥️Ka ianareo akama 'lay mpampitsiky ahy foana
Etsy kely ange !
Mbola meteza ihany am'zay fotoana izay,
Hitady zava-mampihomehy
F'izany anie mba sitrako
Ka ho sarona amin'ny tsiky ny tontolo feno saona
Na aza mbola eo am-bohitra ny nofo mangatsiakako.
NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
