LOHATENY MIAFINA (Nofenoina Natiora Nitsimoka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LOHATENY MIAFINA??

?Mbola tsy dada ialahy dia efa nisy niantso hoe dada
Nitrotro foana koa,nihaino badabada
Notafian'ialahy fitia 'lay mahantra keliko
Fa namanala, lavitra afon'ny fitiavan-dRay tsy fenoko

♥️Ialahy 'lay hany tokana,mahatsiaro azy foana
Tsy manadino manontany hoe: 'lay zanakao ao manao ahoana?
Mpanambitamby azy amin'ny fihetsika sy teny
Fitiavan-dRay nanondraka 'lay vonikazo kely

Ka
♥️Matetika tadiaviny, izy toa tsy very dia
Dada ialahy faharoa fa voalohany am-pitia
Mitady hanaraka any mbamin'ny fitiavako
Sangy mantsy izany fa voasoratry ny tanako e!

♥️Tsy mendrika sandaina vola ny fitiavana amin'ny fo
No sady tsy voavidy koa
Ka indro fanomezan-teny vita fono tsara amin'ny firarian-tsoa
Manàna vady hendry,am'zay ny zanako sy zanakareo roa
Hiombom-piantsoana dada ka ho lasa iray tampo.

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA

17 Février 2024
--------
Lien:
Catégorie : Zanaka
18 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0186