NATIORAN-TENIKO (Nofenoina Natiora Nitsimoka)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NATIORAN-TENIKO ❤️Hary ny taniko
Dia nisy koa ny teniko
Ny teny Malagasy
Fitenintsika nefa mihafy
Amiko,tsy rariny
Ny ataon'reo sekoly sy ny tariny
Mahavoasazy ny miteny Malagasy
Toa mitovy sokajy amin'ny hoe miteny ratsy
Mba tongava saina e!
Ekeko hoe ilaina
N'y mahay teny vahiny
Fa kosa Ankehitriny
Ny tenin-dReny indray
No manjary tsy ampiasaina
Fa na aza hohamavoina
Ny teny Malagasy
Na koa holaroina
Dia tsarovy fa tsy ho faty
Satria hampitombo n'y heriny
Ireo 'zay tia ny teniny.
NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA
14 JONA 2024
--------
Lien:
Catégorie :
Teny Malagasy
