I NENY IZAY (NofenoinaNatiora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
❤️I NENY IZAY...❤️

?Narariray lava,nitondra anao an-kibo
Monja tamin'ny ainy no hany sisa azy,
Teo am-piterahana
Nifoha mba hampitony n'y tomaninao matetika,
Na aza sasak'alina anatin'ny harerahana

♥️Nitsangan-tsy nalaina na Dia voton'ny hatsiaka
Nanasa ny malotoanao,nataony tamin'ny fo
Vao azo nobabena dia an-damosina no hita
Nentiny nitotototo avy etsy s'y avy eroa

❤️Nianatra namindra,nandeha irery,nihazakazaka
Teo foana izy,na mafy aza n'y ady
Mba hisitrahanao ny zon'ny hoe zanaka
Tsy foiny koa ianao hanalavitra azy

❤️Nitombo,nihatanora sy efa tonga taona
Tsy tiany ianao handia sampanana mikitroka fiafara
Ka notsipazany anatra foana,nobedesiny imbetsaka
Mba hahay hitondra tena tsara

?Efa Reny Aho izao ry Neny
Nandia ny dia an-tongotrao tamin'ny fitaizana
Dia latsa-dranomaso irery
Hay anarana iombonana mifono adidy
Sy ngidim-pahasambarana ny hoe Neny

?Ka mendrika ho azy ireny 'lay teny mamy kely
Hoe TIAKO IANAO ry Neny
Na any lavitra any izy na eo anilanao
Na koa efa nindaosim-pahafatesana

❤️Ihany koa isaory ihany
Ny Reny nahafoy anao sy nandao ny akany
Satria efa nisy tontosany ny dingan'ny Reny
Nahatonga anao ho eto an-tany
Mety koa ho Renikely no mikarakara anao
Efa Reny ihany izy ka tiavo sy hajao.

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA

25 MAY 2024
--------
Rohy:
Sokajy : NENY
9 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0109