Ampidiro aloha ny tenimiafina
KOTOKELIMIADILAONA (NofenoinaNatiora)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KOTOKELIMIADILAONA ✨??☄️?Topazo maso kely ange
Ny ali-maizimbolana e!
Fa tiako ianao hamisavisa,
Ireo kintana mifamotoana ,
Anivon'ireo kintana an'alinalin-kisa
Dia 'reo Kotokelimiadilaona.
?Kintana mivondrona ,
mitaratra hazavana
Miavaka eo an-danitra
anatin'ny alintsika
Tandindon'ireo olana sarotra vahana
Tsy iray na roa fa maromaro an'isa.
?Meteza ianao ho volana
Iray lanitra am'reny
Ka tsy resin'ady an'olana
Tsy maintsy rava aloha
Fa kosa mihatsinana
Dia indro fenomanana
Amin'ny tanjona nihanihana.
?Tsy azonao atao
Ny hanaisotra ny kintana
Hiala amin'ny toerany
Fa ny masonao akipy tsy hibanjina azy
Raha tsy zakanao ny tarany
Toy izany ny olana
Manana fisiana
Ka paik'ady sy hamafisan-doha
No ento eo an-tsapanany,
hifampidifiana.
?Rahony fahasahiana
Ny sakana anoloana
Dia tomory akaiky hihena ny heriny
Ny herim-bavaka hanampy azy
Hiala mora foana,
Ka aza hadinoina,aloha sy eo am-periny.
?Dia mody mitsikia aloha,
F'aveo hovain'ny ati-doha,
Ho tena tsiky avy amin'ny fo...
NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA
12 APRILY 2024
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
