RAOZIN-DRANO (NofenoinaNatiora)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAOZIN-DRANO ??♥️?Tsy haiko 'zaho na raozy na vonikazodia
Fa nahazo faka tamiko
'Lay vonikazo teo akaikiko,
Ka mamony tsara erÿ
?Amoron-drenirano sa manamorona farihy?
Fa ny afaka mamantatra azy a!
Dia ny maso tia natiora
Sy tena mpankafy
✊Nisy tanana iny
Saika hitango nefa vahotra
Asa angamba,
Mety nampanenina raha azo
Satria raha miala amin'ny fotony
Dia tsy maintsy halazo
Hany izy ka natahotra
?Sa mety raozy tena fy
Manan-tsilo ka manindrona
Miaro ny felany...
Mba tsy hifanoloran'ireo mpifankatia
?Misy tiako hamindra ahy
Mba ho eny an-jaridainany
Ka hikolo sy hanondraka
Ary hifanopy tsiky amiko
Isaky ny marainany
?Mantsy,nisy tam'zay
Nitango sy nandoro
Ka tsimoka vaovao io
Lasa tsara loko f'efa tsara kolo
?Raha tsorina dia 'zao e!
Izaho 'lay raozidia,efa vita grefy,
Tamin'ny fiainan-tsarotra nifamahofaho
Sy fitiavana mangidy
Sady efa tsara fefy
Ka lasa raozin-drano
?Mitsimoka eto an-jaridainan'ny
fiainana aho 'zao
Raha toa ianao ka haka sary
Dia eto 'zaho hameno sy hanome haingo
Ny natioran-tsarinao.
NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA
21 février 2024
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : NofenoinaNatioraNampiditra : NofenoinaNatiora
Daty : 29/01/2026 14:20
