SENTO ROA MIRA IRAY (NofenoinaNatiora)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SENTO ROA MIRA IRAY ❤️❤️‍?

❤️‍?Nisento Aho tam'zany,
Teo am-pankafizana
'reo misinao notiaviko...

Sento tokana iny,
Fa nanambatra 'reo pitsona
Fitia naavohavoko.

❤️‍?Ka asa angamba re
Raha lasa halan-drivotra
Fa diso avo loatra...

Fa indray nipy ny masoko
Dia tsy teo intsony 'lay fitiavanao
Fa nisy nanao indray mifaoka.

❤️‍?Ankehitriny anefa,tsy haiko hoe nahoana
Fa tojo namana Aho,
Dia toa anao tsy Hay havahana
Na endrika na toetra ...

Ka nivoaka ho azy tao
Ilay sento tokana faharoa ,
Sento
Nisentoako tamin'ny misinao rehetra.

❤️‍?Sento roa samy hafa taona
Fa nitovy ny filatsany
Sento iray ihany rehefa notiliana...

Natioran-tsento tsy niniana.

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA

25 AVRILY 2024
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
13 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0189