VENTSON'ANKARATRA (NofenoinaNatiora)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VENTSON' ANKARATRA?❤️????

?Tambanivohitra aho,
Reharehako izany
Tambanivohitra aho
Raha vao tonga teto an-tany

?Tambanivohitra aho,
'zay ny natioran'ny fisiako
Tambanivohitra aho
Ny maha Malagasy ahy,tiako

?Ny fahazazako?
Nisambotra valala, nanao kivarivary
Ny fahazazako
Natsaka an-doharano,
Nisaka trondro an-tanimbary

?Tantsaha aho,
Mitana angady,miepa-tanana
Tantsaha aho
Miandry fody,manondraka anana

?Mpamboly aho,
Masa-tongotra manetsa
Mpamboly aho
Mitaon-jezika ao am-pahitra

?Zanak'i Vakinakaratra aho
Oviovy endrika fa azo iafiana ihany
Zanak'i Vakinakaratra,
Mora velomina,tsa mila harena 'zany

?Manoratra aho,
Manandratra ny teny Malagasy, tsy hifangaro
Poeta aho,
Sady mitsoka ovy no miantsa tononkalo.

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA

29 FEBROARY 2024
--------
Lien:
Catégorie : Ahy
9 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.011