AZA ESORINA AHO (Np Augustin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Milamina ery ny ato an-kibon'i neny,
Mahatamàna na dia teritery.
Nefa injao reko misy kotabà;
Azoko an-tsaina... I neny miady amin'i dada:
Io zaza io... Esory tany!
Dia ketraka aho nandre an'izany.
I neny anefa namihana ahy no nanambara;
Izaho tsy hanalà... Azonao tsara?
Dia faly aho fa tia ahy lay reny malàlà.
I dada kosa namaly tsy an-kisalàsalà:
Aleo izany misaraka isika roa,
Eh... Tsy niteny i neny fa nanodina loha.
Niova ny heviny... Niova tokoa!


Dia lasa i neny... Lasa tsy tana,
Namonjy mpitsabo teto an-tànana.
Ndao moa ry neny... Ndao isika hody;
Tsy reny anefa fa vao mainka narapàny ilay fanafody!
Mba olona ihany ka manam-panahy,
Nefa dia sahiny mihitsy ny namono ahy.
Izaho efa maty... Izaho efa resy,
Fa ianao kosa ry neny... Andehà mikonfesy!


22/04/17
Tamin'ny 7 ora maraina
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
137 1
Mpakafy: NpAugust1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Np Augustin
Nampiditra : NpAugust1
Daty : 30/06/2025 11:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.012