EMBONA (Np Augustin)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto am-pandrahona saosisy sy kabaro,Izaho no mahatsiaro,
Sy mahatadidy;
Embona mangidy.
Ka io aho mikopak' afo,
Sady latsa-dranomaso,
Manembona anao;
Ao am-poko ao.
Mantsy,
Raha mba sahiko izao,
Ny nilaza taminao;
Hoe:" Izaho anie ka tia. "
Dia ohatr'izay isika mba efa niara-dia.
Saingy,
Feno henatra ny tavako,
Ka bory teo ny vavako.
Dia nilaozako nangina,
Avy eo nefa aty aoriana,
Ianao efa manan'olon-tiana.
Dia indrisy,
Fa eto amorom-patana aho sisa,
No mamisavisa,
Ny misinao indray,
Ka tsy henoko akory hoe: ny laoka anie ka may.
14/03/18
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
NpAugust1
