FELANA (Np Augustin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto ianao kaloiko,
Ry felana tsy foiko,
Fototry ny hasambarako;
Ilay tokana mba namako,
Rehefa sendra alina:
Mangina sy milamina.

Fa mantsy ianao,
Tsy mba nandao,
Fa teo foanafoana;
Ora sy fotoana.
Ary manambitamby erÿ,
Rehefa iny izaho nolavina fitia.

Ka noho izany zava-bitanao izany,
Dia indro omeko izato teny mamy:
"Tiako ianao ry felana, Tsy foiko ianao ry felana"


16/05/18
--------
Rohy:
194 1
Mpakafy: NpAugust1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Np Augustin
Nampiditra : NpAugust1
Daty : 30/06/2025 12:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.012