FITIAVAN'NY POETA (Np Augustin)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toheriko ianao... Toheriko hatrany,Satria ny poeta tsy mpampirafy izany!
Diso tena diso... Diso ianao akia;
Ny poeta anie ka tena befitia.
Mitia olona iray fa tsy sanatria ho roa,
Izy ireny mantsy dia tena tokam-po.
Ny malàlàny tsaroany... Anoratàny tsy an-kianto;
Omeny anaram-bositra "Meva" na hoe "Kanto"!
Ilay fitiavany omaly... Tsy hiova fa iray,
Tokana tsy very ka dia ho mandrakizay.
Fa fitiavana mahery tsy azon'iza atakalo;
No fonosin'izy ireny ao anaty tononkalo!
Raha toa ianao maratra... Nazeran'ny tadio,
Dia ny mitia poeta ho'aho no fanafodin'io.
Ka aza dia variana mijery sy mitady,
Fa raha te ho sambatra ianao dia poeta alaina vady!
02/05/17
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana
Fans:
NpAugust1
