IZAHO SY NY MPANABE (Np Augustin)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Madama ah!
Moa ve fahotana ny mamboraka fitia?
Eny angamba sanatria,
Fa tsy hadisoana mantsy,
Na koa toetra ratsy:
Ny miteny zava-tsoa;
Ka milaza ny ao am-po.
Amin'ny fanetren-tena sy talao;
Manambara hoe: "tiako be ianao!"

Ekeko anie madama fa efa manam-tompo,
Na eo izany anefa dia babonao ny foko!


Satria raha madama no lasa olon-tiako:
Dia tena ho feno izato fifaliako;
Ny naotiko ho ambony,
Izaho tsy ho bedy intsony!

29/11/17
Tamin'ny 6 ora hariva
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
137 1
Fans: NpAugust1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118