LAOKA TENA TIANY (Np Augustin)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsaramaso tapa-tsobika ,No indro hoataoko laokantsika ,
Somary ritiko: tsy asiako rony...
Ka eo moa ry tiako, aza tezitra intsony.
Fa efa ilay laoka tena tianao ;
No hovidiko , hoamboariko izao .
Zahao izato izy : matsiro tokoa ,
Inty ary ka dia mazotoa .
Aza mihafahafa fa mihinanà izay lany ;
Raha mbola tsy voky dia manaovà kaso-bilany.
Fa efa namboariko ho anao izy itony .
Ny irariko fotsiny dia aza tezitra intsony.
Ary mba hoanò miandana sao dia ho sempotra ,
Tandremo koa sao dia mangetotra .
Nefa laingako izany fa mangetorà ;
Izay tianao na ho mafy na ho moramora,
Sady izaho tsy mba hitsoaka na inona hiseho :
Fa iareteko foana izay fofona eo .
03/09/18
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Fans:
NpAugust1
