MANJABE TALOHA (Np Augustin)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nampoiziko ianao,Hoe: hiova toy izao.
Rehefa ela tsy dia tazana;
Jereo fa lasa ngazana,
Feno kentrona sy mony,
Ka tsy manja kely intsony.
Nefa akory ianao taloha,
Ilay ampela soa:
Kanto tena tsara,
Izay nahita dia tara.
Nefa
Tantara sisa iny,
Ny hatsaranao fahiny.
Mantsy ny endriny dia simba,
Voatondraky ny asidra.
Ka eto izaho vao gaga amin'izany fiovana,
"Hay ka misy fetra ihany ny hamanjana".
27/01/18
Tamin'ny 7ora maraina
--------
Lien:
Catégorie :
Fiaraha-monina
Fans:
NpAugust1
