MARIAZY (Np Augustin)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala ah...
Ny mariazintsika rehefa any afara,
Tsy asiana aingitraingitra... Tsy atao be kafara.
Tsy toin'ny an'ireo olona asaramanitra sy fety;
Fa tsotsotra akia dia efa mety!
Raha fitafiana indray tsy atao manahirana,
'Lay lobaka efa tonta no sasaina mba hangirana.
Harato fandambàna no indro solom-boàly:
Etsy isika miràna... Etsy falifaly!
Rehefa mifanoroka dia tena lavorary...
Samy mitadidy ka tsy mila mpaka sary.
Na tsisy mofomamy dia efa mety aza,
Fa mariazy izany tsy voatery atao malaza!


Diso izay miteny hoe: "fety be izany"!
F'io miankina amin'izay ananàna ihany.
Ka inty henoy raha toa ianao mandre:
"Tso-dranon' Andriamanitra no tena lehibe"!

04/08/17
Tamin'ny 4 ora hariva
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
378 1
Fans: NpAugust1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0125